๐ธ๐‘“๐‘Ž ๐‘›๐‘–๐‘ก๐‘ ๐‘Ž๐‘›๐‘”๐‘Ž๐‘›๐‘Ž ๐‘ก๐‘Ž๐‘š๐‘–๐‘›’๐‘›๐‘ฆ ๐‘š๐‘Ž๐‘ก๐‘ฆ ๐‘ก๐‘œ๐‘˜๐‘œ๐‘Ž ๐‘– ๐พ๐‘Ÿ๐‘–๐‘ ๐‘ก๐‘ฆ! ๐‘‰๐‘’๐‘™๐‘œ๐‘›๐‘Ž ๐‘›๐‘ฆ ๐‘‡๐‘œ๐‘š๐‘๐‘œ.

Ry Kristiana malala,
Arahabaina isika rehetra tratry izao Paska 2026 izao.
Anisanโ€™ny teny voalohany nambaranโ€™i Kristy taminโ€™ny mpianany rehetra taorianโ€™ny nitsangany taminโ€™ny maty ny hoe โ€œ๐‘ญ๐’Š๐’‚๐’…๐’‚๐’๐’‚๐’๐’‚ ๐’‰๐’ ๐’‚๐’๐’‚๐’“๐’†๐’โ€.

Tsy hoe fahatsiarovana zava-nitranga fotsiny na fitadidiana, fa zava-misy velona izay fototry ny fanantenantsika, ny fijoroantsika ho vavolombelona, ary ny antso mampiray antsika aminโ€™ny maha-Kristianina antsika ny Fitsangananโ€™i Jesosy taminโ€™ny maty.

Fahamarinana azontsika ifikiranana izany, entinโ€™izao fotoan-dehibenโ€™ny Paska ankalazaintsika izao, hihavaozantsika sy hivelomantsika ny fanantenana ary ny fiadanana ao aminโ€™i Kristy Jesoa tafatsangana.
Koa enga anie hitarika antsika ny Fanahy Masina mba hiainantsika fiainana feno fanantenana ny aminโ€™ny ho avy, aminโ€™ny alalanโ€™ny fanatanterahana ny asa tsara nomaninโ€™Izy Tompo ho antsika tsirairay avy (Jaona 20.15) ! Fa voatendry ho aminโ€™izany ny fiainantsika (Efesiana 2.10)

Homba anareo anie ny Tompo!

Ny Eveka,
Mgr RANARIVELO Samoela Jaona
Evekan’ny Diosesin’Antananarivo
Filohan’ny FEEM

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *