Tongasoa eto amin'ny tranokalam-pifandraisan'ny EEM Diosesin'Antanarivo.
Ny Diosesy
Ny Diosesin’Antananarivo dia iray amin’ireo diosesy mandrafitra ny Eklesia Episkopaly Malagasy (Fiangonana Anglikana eto Madagasikara), ao anatin’ny Provansan’ny Ranomasimbe Indiana, sy ny Firaisambe Anglikana.
Vina
Ho Fiangonana velona sy misionera, miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra, mampanjaka ny rariny, manome lanja ny fihavanana ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiarahamonina.
Iraka
- mitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy;
- manofana mpitarika manolo-tena;
- mampiroborobo ny fanabeazana teolojika;
- manohana ireo marefo sy sahirana;
- mampanjaka ny fihavanana sy ny firaisankina;
- manampy ny tanora sy ny vehivavy ary ny ankohonana manontolo amin’ny fiatrehana ny fiainana maha-kristiana.
Ny lohahevitra banjinina sy tarigetra ho tratrarina taorian’ny SYNODA XVI dia:
“Fiangonana mifanolo-tanana, ho vavolombelon’ny fitiavana sy ny asa tsara ao amin’i Jesoa Kristy”
Ny Eveka
Ny Evekan’ny Diosesy am-perinasa dia ny Mgr Samoela Jaona Ranarivelo, izay nohamasinina ho Eveka faha-4 tao amin’ny Katedraly St Laurent Ambohimanoro ny 29 Jona 2008.
Izy no mitarika ny Foiben’ny Eklesia Episkopaly Malagasy (FEEM), ary misolo tena ny fiangonana Anglikana amin’ny sehatra Ekiomenika eto Madagasikara (FFKM), ary ireo andraikitra ofisialy samihafa.
Mambra ao amin’ny Académie Africaine des Sciences Religieuses, Sociales et Politiques (AASRSP) ihany koa ny tenany, ary mpikambana ao anatin’ny Central Committee eo anivon’ny Conseil Oecuménique des Eglises (COE/WCC).
Ny Evêché Ambohimanoro
Ny « Evêché Ambohimanoro » no Foiben’ny Diosesin’Antananarivo. izay misahana ny fampandehanan-draharaha ankapobeny eto anivon’ny Diosesy, ka manampy ny Eveka sy ireo rafitra samihafa amin’ny fanatanterahana ireo asany.
Ao ihany koa no Birao Foiben’ny Eklesia Episkopaly Malagasy (FEEM).
Ny Synoda
Ny Synodan’ny Diosesy no rafitra ambony indrindra izay mivory isaky ny 5 taona. Ahitana ny Eveka, ny Chancelier, ireo Klerje rehetra, ireo ministera laika (Katekista, Evanjelistra, Mpiandry…) ary ny solontena laika voafidy avy amin’ny isam-paroasy.
Ny solontena voafidy avy amin’ny synoda kosa no mandrafitra ny Komitin’ny Synoda izay mivory tsy tapaka ho fampandehana ny raharahan’ny Diosesy sy mandray ireo fanapahankevitra samihafa eo ambany fitarihan’ny Eveka.
Rafitra
Raha ara-jeografika dia mandrakotra ny faritra afovoan’ny Nosy ny diosesy, dia Analamanga, Itasy, Bongolava, Vakinankaratra ary Alaotra-Mangoro.
Nanomboka ny taona 2016 dia nozaraina ho Arsidiakoneria 03 izany, ary ahitana Distrika miisa 13 ka Paroasy 52 no ivondronan’ireo fiangonana maherin’ny 210.
Ny fiahiana ireo fiangonana dia tanterahin’ireo klerje (Presbytera sy Diakona), sy Katekista ary Evanjelistra.
Ny Diosesy koa dia miasa eo anivon’ny sehatra samihafa amin’ny fiahiana ara-panahy toy ny foloalindahy, ny hopitaly, ny fonja ary ireo toerana fiahiana ara-tsosialy.
Departemanta
Ahafahany manatanteraka ny asany dia misy ireo departemanta izay manatanteraka ny asa araka ny fanapahankevitry ny synoda:
- Ny Departemantan’ny Tetikasa sy Fampandrosoana
- Ny Departemantan’ny Serasera (DSDA)
- Ny Departemantan’ny Lalàna
- Ny Departemantan’ny Vola.
Vaovao samihafa
LANGHAM PREACHING 2026-ANTANANARIVO
Fanambarana avy amin’ny FFKM