Tantara

Ny nahatongavan’ireo Misionera

Tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny Fiangonana anglikana eto Madagasikara ny tantaran’ny Diosesy. Taorian’ny fitsidihana voalohany nataon’ny Mgr Vincent Ryan avy any Maorisy teto amin’ny Nosy tamin’ny taona 1862 sy ny fanomezan-dalana nomen’ny Mpanjaka Radama II dia nisy misionera nalefa avy any Angletera.

Ny taona 1964 dia tonga tao Foulpointe i William Hey sy John Holding, nalefan’ny fikambanana Society for the Propagation of the Gospel (SPG), narahin’i Thomas Campbell sy Herbert Maundrelle avy amin’ny fikambanana Church Missionary Society.

Rehefa nametraka ny asa fitoriana tany amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy atsinanan’i Madagasikara izy ireo, dia nanapa-kevitra ny hiakatra an-dRenivohitra. 

Tamin’ny taona 1874 no tonga teto amin’ny Nosy ny Evekan’i Madagasikara voalohany dia ny Mgr Robert Kestell Cornish, ary dia nanapa-kevitra ny hihazo avy hatrany ny Renivohitra miaraka amin’ireo misionera hafa.

Niorina tao Ambatoharanana ny Kolejy Teôlôjika tamin’ny taona 1878, vokatry ny asa natan’ny Rev Francis Ambrose GREGORY mivady, ary notokanana efa-taona taty aoriana ny Fiangonana Santa Paoly.

Ny Katedraly Santa Laurent

Nahazo alàlana avy amin’ny Mpanjaka ny fanorenana ny Katedraly Santa Laurent mba hisolo ny fiangonana hazo tsotra teo Ambatomasina.

Koa ny taona 1883 no nametrahan’ny Mgr Kestell Cornish sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony ny vato fototra. Ny katedraly dia naorin’ny Norveziana Alfred Anker tamin’ny endrika “neo-Gothique” araka ny nataon’ny mpanao mari-trano anglisy William White.

Hatramin’ny nahavitana azy tamin’ny taona 1889, dia ity no katedraly nitoeran’ny Evekan’i Madagasikara nifandimby, ary dia nitohy tamin’ny nizaran’ny diosesy ho telo tamin’ny taona 1969 ka lasa nitoeran’ireo Evekan’Antananarivo: 

Vaovao samihafa

LANGHAM PREACHING 2026-ANTANANARIVO

14 Mai 2026-Notanterahina tao amin’ny IFLA Iavoambony ny 06 ka hatramin’ny 09 Mai lasa teo ny fiofanana « Langham Preaching » Niveau 1 sy 2...

Fanambarana avy amin’ny FFKM

30 Aprily 2026 - Fanambarana avy amin’ny FFKM tamin’ny alalan’ny Filohan’ny FFKM Mgr RANARIVELO Samoela Jaona, androany 30 Aprily 2026 teto Ambohimanoro.

Hafatra Paska 2026

Hafatra Paska avy amin'ny Evekan'ny Diosesy, Mgr RANARIVELO Samoela Jaona