Sampana sy Herivelona
Ny fiangonana dia mitaiza sy manabe ireo kristiana ao aminy eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana.
Ireo sampana samihafa dia miezaka ny mitaiza ireo ankizy sy tanora ary lehibe, araka ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra ny sehatra tsirairay.
Mijoro eo anivon’ny fiangonana ihany koa ireo herivelona samihafa izay manatanteraka asa eo anivon’ny fiaraha-monina toy ny asa sosialy sy ny fiahiana ara-pahasalamana.
Ireo Sampana
Sekoly Alahady
Ny taona 1909 no nijoroan’ny sehatra Sekoly Alahady teo anivon’ny fiangonana tamin’ny omba ofisialy.
Ny tanjona kendreny dia ny hitaiza ireo ankizy madinika sy tanora hahalala sy handalina bebe kokoa hatrany ny Tenin’Andriamanitra.
Ny Fikambanan'ny Tanora – RIATA
Ny tanora dia anisan’ireo mandray anjara mavitrika mandrakariva amin’ny fiainan’ny fiangonana, na eo amin’ny sehatra iombonana na eny ifotony.
Maro ny tanora no misehatra eny anivon’ireo sampana samihafa ary manatanteraka ireo asa hanirahana ny fiangonana eo anivon’ny fiaraha-monina toy ny asa sosialy, fiahiana ny tontolo iainana sy ny fahasalamana sns.
Ny Skoto
Raha ny ara-tantara dia ny fiangonana Anglikana teto Madagasikara no nitondra sy nanorina ny Fikambanan’ny Skoto teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny Rev JF Radley, misionera sady talen’ny sekoly Ambohimanoro.
Ny Fikambanan'ny Reninjaza
Ny Fikambana’ny Reninjaza teto Madagasikara dia niorina ny taona 1903, ary pikambana sy mandray anjara feno amin’ny fiainan’ny fikambanana ” Mothers’ Union” manerantany amina firenena miisa 84. Miroborobo hatrany ny fikambanana eto anivon’ny diosesy ka efa mahatratra maherin’ny 2600 eo izy ireo ankehitriny.
Ny Fikambanan-dehilahy – FLKAM
Ny FLKAM dia sehatra mitaiza ny lehilahy ,mba hijoro vavolombelona amin’ny maha-kristiana tompon’andraikitra eo anivon’ny ankohonana sy ny fiangonana ary ny fiaraha-monina.
Ny Sehatra Mpiangaly Mozika Anglikana -SMMA
Ny SMMA dia anisan’ireo sampana vao niorina teto anivon’ny diosesy. Izy no mampivondrona ireo zanaky ny fiangonana manan-tanlenta rehetra eo amin’ny sehatry ny Mozika. Ny tanjony dia ny hampiasany ny talenta eo amin’ny fiderana an’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana.
Ny Fikambanan'ny Mpihira sy Sakristana (FMSA)
Ny FMSA dia sehatra ivondrondronan’ireo ankizy sy tanora manatanteraka ny asa fanompoana masina eo anivon’ny fiangonana anglikana. Manana anjara toerana lehibe izy ireo amin’ny fanatanterahana ireo fotoam-pivavahana sy asam-pisoronana ataon’ny klerje.
Ny Fikambanan' ny DORKASY
Ny Dorkasy dia fikambanam-behivavy izay manana andraikitra amin’ny fanatanterahana ny asa sosialy eo anivon’ny fiangonana misy azy ireo. Eo ihany koa ny asa fanompoana amin’ny alalan’ny fikarakarana sy fikojana ireo lamba sy fitafiana masina fampiasa eo anivon’ny fiangonana.
Ireo Herivelona
Masera Anglikana FMJK
Ny Fikambanan’ny Mpanompovavin’i Jesoa Kristy (FMJK) na ny Masera Anglikana dia nijoro ny taona 1985 eo anivon’ny Diosesin’Antananarivo.
Ity ny fikambanana Relijiozy Anglikana tokana misy eto Madagasikara.
Ny Sahan'Asa Sosialy Anglikana (SAHASOA)
Ny SAHASOA no rafitra iray izay hanatanterahan’ny fiangonana ny asa sosialy, indrindra ny fiahiana ara-pahasalamana ny mpiara-belona.
Akany Famonjena
Ny Akany Famonjena dia toerana fitaizana ireo zaza kamboty narorin’i Rtoa Mary Sherwood, eo ambany fiahian’ny Fikambanan’ny Reninjaza Diosesin’Antananrivo.
Vaovao samihafa
LANGHAM PREACHING 2026-ANTANANARIVO
Fanambarana avy amin’ny FFKM