SKOTO ANGLIKANA

Ny Fiangonana Anglikana no mpisava lalana ara-tantara ny hetsika Skoto eto Madagasikara. Ny hetsika skoto voalohany dia niorina tamin’ny 9 Aprily 1922 (Alahadin’ny Sampan-kazo) tao Antaninarenina, teo ambany fitarihan’ny Reverenda Jhon Fuller RADLEY, notarihin’i Michael Rajohnson, ka nahitana ireto:

  • Eugene RAZAFITRIMO
  • Philippe ANDRIANARIJAONA
  • Alban RATSIVALAKA
  • Albert Rakoto RATSIMAMANGA

Hatramin’izao dia mbola sampana mavitrika anatin’ny fiangonana ny Skoto amin’ny fitaizana ny tanora sy ny ankizy, amin’ny fanomezana sehatra hampivelarana azy ireo ara-panahy, ara-batana ary ara-tsaina.

Ny Skoto dia voalamina araka ny sokajin-taona samihafa. Ny vondrona tsirairay dia tarihin’ny mpanabe voaofana, ary mizara ho ekipa madinika, izay manampy amin’ny fanabeazana sy ny fahaiza-miara-miasa