Recylclage Klerje Diosesy
Taorian’ny ordinasiona dia niroso avy hatrany amin’ny “Recyclage” eny amin’ny IFLA Iavoambony mandritra ity herinandro ity ireo klerje eto amin’ny diosesintsika.
Anisan’ireo manatrika izany avy hatrany koa ireo vao notendrena ho Presbytera sy natao Diakona.
Koa angatahina ny fivavahantsika ho azy ireo mba ho fotoana ahafahana manovo hery izany fotoana izany entina manatanteraka hatrany ny asa fanompoana eo anivon’ny Eklesia.
