FANENDRENA PRESBYTERA SY FANAOVANA DIAKONA
16 Martsa 2026

Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia to tontosa soamantsara omaly Alahady 15 Martsa tao amin’ny Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro ny fotoam-pivavahana fanendrena ireo Presbytera 3 mirahalahy sy Diakona 9 mirahalahy, hiasa eo amin’ny sahan’ny Eklesia.
Tonga maro nanatrika izany fotoan-dehibe eo amin’ny fiainan’ny fiangonana izany ireo klerje sy kristiana anglikana maro avy amin’ny lafivalon’ny Diosesin’Antananarivo.
Nanantanteraka izany fanendrena izany araka ny fomban’ny Eklesia moa ny Evekan’ny Diosesy, Mgr RANARIVELO Samoela Jaona. Nandritra ny hafatra nentin’ny Eveka moa no nampaherezany azy ireo amin’ny adidy sy andraikitra lehibe miandry azy eo anivon’ny fiangonana sy ny fiaraha-monina, izay miaina ao anaty vanim-potoana sarotra tokoa ankehitriny.
Angatahina hatrany ny fivavahantsika ho azy ireo sy ny ankohonany amin’ny anjara fanompoana vaovao niantsoan’ny Tompo azy ireo izao.