Fametrahana ny Arsevekan'i Canterbury faha-106

Notanterahina androany 25 Martsa ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Arsevekan’ny Canterbury vaovao faha-106, dia ny Sa Grâce Sarah Mullally. 

Marihina moa fa izy no vehivavy voalohany eo amin’izany toerana lehibe izany raha eo amin’ny tantaran’ny fiangonana anglikana. Izy noho izany no mitarika indray ny Firasambe Anglikana manomboka izao. 

Talohan’ny nandraisany izao andraikitra vaovao izao dia nitondra ny Diosesin’i Londres izy. Ary talohan’ny naha-klerje azy dia niasa teo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny tenany. 

Manambady an’Atoa Eamonn Mullally izy ary manan-janaka roa. 

Angatahina ny fivavahantsika ho azy amin’izao andraikitra lehibe sahaniniy izao, indrindra ao anatin’ny adihevitra sarotra misy eo anivon’ny Firaisambe Anglikana ankehitriny.

Anisan’ireo olona nasaina ary nanatrika ity fotoana ity moa ny Evekan’ny Diosesy SE Mgr RANARIVELO Samoela Jaona. 

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *