
25 Febroary 2026
Araka ny fampahafantarana natao dia tontosa soamantsara ny Alatsinainy 23 Febroary lasa teo, tao amin’ny EEM TRINITE MASINA AVARATRANJOMA, ny dinika niarahana tamin’i Rtoa Gracia Violetta Ross, mahakasika ny anjara asan’ny fiangonana manoloana ny ady atao amin’ny VIH.
Nanatrika izany ihany koa ny Evekan’ny Diosesy Mgr RANARIVELO Samoela Jaona, izay marihina fa mambra ao anatin’ny Komity Foibe’ny COE ihany koa.
Nisy ny fizarana sy fampianarana samihafa nentin’i Rtoa Gracia Violetta, ary teo koa ny hevitra avy amin’ireo nanatrika izay afaka entina miainga ao anatin’izany anjara asan’ny fiangonana izany.
Marihina moa fa manatrika ny fivoriana momba ny fanatsarana ny lafiny fahasalamana eto Afrika, tanterahina eto Antananarivo ny 23-26 Febroary, i Rtoa Gracia, izao niaraka nanao dinika niaraka tamintsika eo anivon’ny EEM izao.