14 Mai 2026

Notanterahina tao amin’ny IFLA Iavoambony ny 06 ka hatramin’ny 09 Mai lasa teo ny fiofanana « Langham Preaching » Niveau 1 sy 2.

Marihina fa ny fiofanana « Langham Preaching » dia fiofanana mahakasika ny Fitoriana ny Tenin’Andriamanitra, izay natomboky ny Rev John Stot, Presbytera Anglikana.Ny Rev Joseph Morenamele, avy ao Afrika Atsimo moa no nanatanteraka ny fanofanana.

Anisan’ny nanatrika izany ireo solontena anglikana maro avy eto amin’ny Diosesin’Antananarivo nahitana ny klerje, ireo ministera laika samihafa ary ireo mpianatra avy ao amin’ny Kolejy Teolojika Santa Paoly Ambatoharanana sy ny IAFTDC.

Nanatrika ihany koa ireo avy amin’ny fiangonana rahavavy FJKM, ny UGBM ary ny Batista Biblika.Antenaina fa hitondra voka-tsoa ho an’ny fiangonana mandrakariva ny fanatevenana ny fahalalana ho an’ireo manana anjara fanompoana manokana eo anivon’ny fiangonana, sy ireo miomana ho amin’izany.

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *