FANAMBARANA

     Ry vahoaka malagasy, ry Kristianina havana,

« Sambatra ny mpampihavana, fa izy no hatao hoe zanak’Andriamanitra » (Matio 5:9).

Ho aminareo anie ny fahasoavana ombam-piadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo ary ny fiombonana amin’ny Fanahy Masina.

Miara-miaina ny zava-misy mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny isika izay mampanahy sy miteraka savorovoron-tsaina eo amin’ny samy vahoaka Malagasy. Mahatsapa ny Fiangonana fa tandindomin-doza ny fihavanana, izay soatoavina fototra mampiray ny Malagasy. Miseho sesilany manko ny fihenjanana ara-tsosialy sy ara-politika, fihantsiana amin’ny alalan’ny teny sy ny haino aman-jery,ary tambazotran-tserasera, izay mikendry ny fampisaraham-bazana ny samy mpiray tanindrazana, ary koa ny fahantrana mbola mahazo ny maro.

Amin’ny maha-mpaminany sy mpitily ny Fiangonana miombona ato amin’ny FFKM eo anivon’ny firenena, dia tsy afaka ny hangina sy hitazam-potsiny manoloana izany, koa manao izao fanambarana izao ho an’ny vahoaka sy ny firenena malagasy.

  • Aoka hatsahatra ny teny mandratra sy ny fihetsika mampisara-bazana fa tsy misy fanorenana maharitra eto raha tsy misy ny fandriampahalemana sy ny firaisankina. Miantso ny mpitondra sy ny olom-pirenena rehetra ny FFKM mba hitandro izany amin’ny fandavana ny fankahalana, ny herisetra amin’ny teny, ary ny fihantsiana rehetra.
  • Manoloana ny fiparitahan’ireo vaovao tsy marina, ahitana fanakorontanana sy fifampihantsiana ary fihenjanana ara-pifandraisana, dia ilaina miverina amin’ny fahamarinana isika satria ny fahamarinana irery ihany no manandratra firenena (Ohabolana 14:34).Miantso ny rehetra ny FFKM mba hiteny amim-pahendrena, tsy hanaparitaka lainga fa mba handala ny marina, ary hanaja ny hasin’ny hafa amin’ny teny sy ny atao.
  • Ny fahantrana efa lalim-paka mahazo ny ankamaroan’ny vahoaka dia manitsakitsaka ny hasin’ny maha-olona, ary heloka eo anatrehan’ny firenena sy ny mpiara-belona ny fanodikondinana ny harem-pirenena izay zary olom-bitsy no migoka izany. Koa manentana sy mampahery ireo tompon’andraikitra ny FFKM mba hanatanteraka ny adidiny amin’ny fahitsiana sy ny mangarahara, ho fiarovana ny marefo sy ho fampandrosoana ny soa iombonana ary hiasa amim-pahamarinana. Hoy ny Soratra Masina «Mianara manao ny tsara, katsaho ny rariny, arovy ny ampahorina» (Isaia 1:17).
  • Manankarena amin’ny fahasamihafana i Madagasikara, nefa tsy tokony ho fototry ny fisaratsarahana izany.Koa na samy hafa fiaviana aza ny mpiray monina dia vahoaka iray ny Malagasy, manana tantara iombonana sy hoavy iaraha-mizotra.Aoka ho alavirina ny fanararaotana ny maha-samihafa ara-poko na ara-paritra sy ny fampiasana ny fahasamihafana ho fitaovana hampisarahana. Fa efa foin’Andriamanitra ho Nosy i Madagasikara.

  Miara-miaiky isika fa mbola marary mafy ny firenena ka mila fitsaboana sy fanasitranana maika.

Ho fandraisana andraikitra manoloana izany, ny FFKM dia mbola manamafy hatrany ny fahavononany sy ny fanoloran-tenany, hanohana ny dingana rehetra ho fanasitranana ireo ratra navelan’ny tantara ary ho fanorenana vaovao indray ny firenena izay miorina amin’ny soatoavina malagasy ary hazavain’ny Filazantsara : fihavanana, ny hasina maha-olona ary ny fanantenana sy ny fiaiken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana (4F). Araka izany, ny FFKM dia hanatanteraka FIHAONAMBE ny 18 May 2026 hatramin’ny 21 May 2026 ho avy izao eto Antananarivo, handinihany ny fiainana anatiny sy ny fiainam-pirenena amin’ny maha Mpaminany sy Mpitily eo anivon’ny firenena azy. Atao izany ho fiatrehana ireo fikaonandoha samihafa izay mbola hatrehintsika Malagasy, hametrahana ny fitoniana ho tontolon’ny fikaonandoham-pirenena mba hisian’ny fifampiresahana ankitsim-po sy mampandroso.

Tianay ny manamarika fa ankoatry ny fanompoam-pivavahana natao ny 10 Desambra 2025 teny amin’ny CCI IVATO dia tsy nisy nandraisan’ny FFKM anjara ny fanomanana ireny fikaonandoha samihafa ireny. Manamafy hatrany anefa ny FFKM fa efa hatrany ampiandohan’izao hetsika izao izahay  no naneho fahavononana hitarika izany fikaonandoham-pirenena izany araka  ny fanomezam-pahefana feno (mandat) nomen’Andriamatoa Filohan’ny fanavaozana an’i Madagasikara tamin’ny 10 Novambra 2026, ho fanarenana indray ny firenena.

Eto am-pamaranana dia miantso ny Malagasy rehetra ny Fiangonana hisafidy ny lalan’ny fiadanana fa tsy ny herisetra, ny fihavanana fa tsy ny fifandrafiana,  ny fahamarinana fa tsy ny lainga, ny firaisankina fa tsy ny fisaratsarahana, ary ny rariny sy ny fiheverana ny hafa. Miankina amin’ny safidintsika anio ny hoavin’ny firenena rahampitso. Ny fanarenana an’i Madagasikara dia tsy miankina amin’ny fanavaozan-drafitra ihany, fa indrindra amin’ny fanavaozana ny saina sy ny  fo ary ny toe-panahin’ny vahoaka. Manentana ny vahoaka Kristiana rehetra manerana ny Nosy tsy hitsahatra hivavaka ho an’ny firenena, mba hanjaka eto amin’ny Nosintsika tokoa ny Fiadanan’i Kristy, ka mba ny sain’i Kristy no hitarika, ary ny Fanahy Masina no hanolo-tsaina antsika Fiangonana, ny Mpitondra fanjakana ary ny Vahoaka Malagasy tsy vaky volo manoloana izao fanavaozam-pirenena katsahintsika fatratra izao.

             Homba antsika mianakavy anie ny fiadanana!

Antananarivo faha 30 Aprily 2026

Ny Filoham-piangonana efatra mirahalahy

Mgr RANARIVELO Samoela Jaona – Filoha EEM              

Atoa ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina – Filoha FJKM                

Pastora Dr Denis RAKOTOZAFY – Filoha FLM                       

Mgr RAOELISON Jean de Dieu- Filoham-piangonana Solontena EKAR