” ๐๐ฃ๐๐ง๐ค ๐๐๐ซ๐๐ค๐ฏ๐๐ ๐ค ๐ฃ๐ฎ ๐ฏ๐๐ซ๐๐ฉ๐ง๐ ๐ง๐๐๐๐ฉ๐ง๐ “, ๐๐ฉ๐จฬ๐ค. ๐๐,๐.
Nanatanteraka ny Komity Foibe hafa-47 sy ny Fihaonam-be ho fanomanana ny Fikaonan-doham-pirenena ny teo anivon’ny FFKM ny 19 ka hatramin’ny 22 Mey 2026 lasa teo tetsy amin’ny FOFIKRI ILAFY.
Nentina nanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy moa ny fotoam-pivavahana notarihin’ireo Filoham-piangonana efatra mirahalahy tetsy amin’ny fiangonanana FJKM Ankadikely. Tonga nanome voninahitra ny fotoana moa ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika sy ireo manam-pahefana samihafa.
Ity fivoriana lehibe ity moa dia tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny FFKM izay fanao isan-taona entona handinihina ny fianana anatin’ny FFKM sy ireo ratsa-mangaika rehetra ao anatiny. Noho ny vanim-potoana manokana lalovan’ny firenena ihany koa anefa dia nisy ihany koa ny fandinihana manokana ny raharaham-pirenena, indrindra fa ny Fikaonandoham-pirenena izay nomena ho andraikitry ny FFKM no mitarika izany.