19/05/2026
Nosokafana omaly 18 Mey teo tao amin’ny IFLA Iavoambony, ary haharitra herinandro, ny fiofanana tarihin’ny ONG TEARFUND ho an’ireo solontena avy amin’ireo Distrika eto anivon’ny Diosesin’Antananarivo.
Izany dia ao anatin’ny fandaharan’asa PMEC «Processus de Mobilisation de l’Église et de la Communauté » ahafahan’ny fiangonana eny ifotony mamantatra bebe kokoa ireo filàna misy sy ahafahany mandinika sy mijery ny fomba hamaliana izany araka izay zava-misy eo ampelatanany.
Izany no atao dia mba hitarihana bebe kokoa ho amin’ny fahaleovan-tena ka hampiasa izay fomba sy loharanon-karena ananana eo amin’ny asa fampandrosoana tanterahin’ny fiangonana amin’ny toerana misy azy.
Marihina fa fanombohan’ny fiaraha-miasan’ny Diosesin’Antananarivo sy ny TEARFUND izao fiofanana izao, taorian’ny fihaonana sy fifampiresahana teo amin’ny Eveka sy ny tompon’andraikitra aty amin’ny faritr’i Afrika, tany Kenya ny taona lasa teo. Antenaina fa hitondra fampandrosoana bebe kokoa eo amin’ny fiainan’ny fiangonana izao fiaraha-miasa vaovao izao.