Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika noho ny fahasoavany ka nahavitana soamantsara iny taom-pianarana 2025-2026 teo iny.
Araka izany dia niara-nidera sy nisaotra an’Andriamanitra ny fianakaviamben’ny IAFTDC, sady nanatanteraka ny fanirahana ireo mpianatra taona fahatelo izay nahavita ny fiofanana ny Sabotsy 25 Jolay lasa teo, tao amin’ny EEM Trinité Masina Avaratranjoma.
Nanatrika ny fotoana moa ny Evekan’ny Diosesy mivady, ireo klerje, ireo tompon’andraikitra sy mpampianatra ary ireo kristiana avy amin’ny fiangonana samihafa nanotrona ireo mpianatra.
Dia efa mampiomana sahady antsika izay maniry hiditra ho an’ny taom-pianarana vaovao.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny voninahitra.
Tagged IAFTDC