Sampana sy Herivelona

Ny fiangonana dia mitaiza sy manabe ireo kristiana ao aminy eo amin’ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana.

Ireo sampana samihafa dia miezaka ny mitaiza ireo ankizy sy tanora ary lehibe, araka ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra ny sehatra tsirairay.

Mijoro eo anivon’ny fiangonana ihany koa ireo herivelona samihafa izay manatanteraka asa eo anivon’ny fiaraha-monina toy ny asa sosialy sy ny fiahiana ara-pahasalamana.

Ireo Sampana

Ireo Herivelona

Vaovao samihafa

Fitsidihan’ny avy amin’ny COE/WCC

25 Febroary 2026- Araka ny fampahafantarana natao dia tontosa soamantsara ny Alatsinainy 23 Febroary lasa teo, tao amin’ny EEM TRINITE MASINA AVARATRANJOMA, ny dinika niarahana tamin’i Rtoa Gracia Violetta Ross...

Ny faha-150 taonan’ny nahatongavan’ireo Misionera Anglikana voalohany

27 Mey 2024 — Fanompoam-pivavahana fanokafana ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny nahatongavan'ireo Misionera voalohany teto Madagasikara dia natao ny Alahady faha-26 Mey, tao amin'ny EEM Santa Paoly Ambatoharanana.