Fiaraha-miasa

Trinity Wall Street

Ny Diosesy dia niara-niasa tamin’ny TRINITY, WALL STREET tamin’ireo tetikasa fampandrosoana samihafa hanohanana ny asa tanterahin’ny fiangonana. Anisan’ireo asa lehibe niarahana tamin’izany ny fananganana ny TRANO KAMBANA, ary anisan’ireo tetik’asa nahomby sy modely indrindra. 

Diosesin'i Canterbury

"Ny Mgr Jaona sy Neny Tantely niaraka tamin'ny Mgr Rose, Evekan'i Dover ao Canterbury nandritra ny fitsidihany teto Madagasikara"

Efa maherin’ny 40 taona teo ny fifandraisana nisy teo amin’ny Diosesin’i Canterbury sy ny teto Madagasikara.

Nandritra izay fotoana izay, ary mitohy mandrak’ankehitriny dia nisy ireo tetikasa maro samihafa hanohanana ny asan’ny fiangonana sy fanampiana noho ireo voina samihafa nitranga.

Ankoatran’ny fanampiana sy fanohana samihafa dia mitohy hatrany ny fifampitondrana am-bavaka sy fifamangian’ny diosesy roa tonta. 

USPG

Ny taona 1864 no nahatongavan’ireo misionera avy amin’ny SPG (USPG ankehitriny). 

Nandritra ny taona maro nifandimby taty aoriana dia nanohana hatrany ny asan’ny fiangonana ny USPG toy ny tetikasa fampandrosoana sy ny fiahiana ara-tsosialy noho ny voina vojanahary.

The Mother’s Union

Ny Fikambanan’ny Reninjaza maneran-tany dia manohana hatrany ny fikambanana eto an-toerana amin’ny alalan’ireo fanofanana sy fizarana traikefa samihafa ho an’ireo tompon’andraikitra ao anatin’ny fikambanana. 

Anglican Aid

Hatramin’ny nijoroan’ny toeram-panofanana teolojika teto amin’ny Diosesy ny taona 2017 dia anisan’ireo nanampy izany ny Anglican Aid, tamin’ny alalan’ny Provansa, ka namatsy ireo fitaovana informatika samihafa ampiasain’ny toeram-piofanana sy ny fanatsarana ny fotodrafitr’asa.

Centre for Global Mission

Tao anatin’ny fiaraha-miasa teo amin’ny Centre for Global Mission sy ny diosesin’Antananarivo no nahafahana namokatra ireo boky entina manatanteraka ny fanofanana samihafa ho an’ny laika maniry handalina bebe kokoa ny finoana. 

Anglican Missions Service Committee (AMSC)

Ny fikambanana AMSC dia manohy hatrany ny fiahiana ny fitaizana ireo zaza kamboty ao amin’ny Akany Famonjena.

Ity toerana ity moa dia naorin’i Ramatoa Mary Sherwood, izay mpikambana avy ao amin’izany fikambanana izany. 

Vaovao samihafa

Fametrahana ny Arsevekan’i Canterbury faha-106

25 Martsa 2026 - Notanterahina androany ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny Arsevekan'i Canbterbury faha-106, dia ny Sa Grâce Mgr Sarah Mulally...

Recyclage Klerje 2026

16 Martsa 2026 - Taorian'ny fanendrena ireo klerje vaovao eto anivon'ny Diosesin'Antananarivo dia niroso tamin'ny fanaovana ny "Recyclage" ireo klerje...

Fanendrena Klerje 2026

15 Martsa 2026 - Notanterahina tao amin'ny Katedraly St Laurent Ambohimanoro ny fanendrens ireo presbytera sy diakona vaovao hiasa eo amin'ny sahan'ny Eklesia...