IAFTDC-

Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika noho ny fahasoavany ka nahavitana soamantsara iny taom-pianarana 2025-2026 teo iny.Araka izany dia niara-nidera sy nisaotra an’Andriamanitra ny fianakaviamben’ny IAFTDC, sady nanatanteraka ny fanirahana ireo mpianatra taona fahatelo izay nahavita ny fiofanana ny Sabotsy 25 Jolay lasa teo, tao amin’ny EEM Trinité Masina Avaratranjoma.Nanatrika ny fotoana moa ny Evekan’ny Diosesy mivady, […]
Komity Foibe FFKM Faha-47 sy Fihaonam-be

25/05/2026 – Nanatanteraka ny Komity Foibe faha-47 sy ny Fihaonam-be ho fanomanana ny Fikaonan-doham-pirenena ny teo anivon’ny FFKM ny 19 ka hatramin’ny 22 Mey 2026 lasa teo tetsy amin’ny FOFIKRI ILAFY…
Fiofanana PMEC-TearFund

19/05/2026 – Nosokafana omaly 18 Mey teo tao amin’ny IFLA Iavoambony, ary haharitra herinandro, ny fiofanana tarihin’ny ONG TEARFUND ho an’ireo solontena avy amin’ireo Distrika eto anivon’ny Diosesin’Antananarivo…
Fametrahana ny Arsevekan’i Canterbury faha-106

25 Martsa 2026 – Notanterahina androany ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny Arsevekan’i Canbterbury faha-106, dia ny Sa Grâce Mgr Sarah Mulally…
Recyclage Klerje 2026

16 Martsa 2026 – Taorian’ny fanendrena ireo klerje vaovao eto anivon’ny Diosesin’Antananarivo dia niroso tamin’ny fanaovana ny “Recyclage” ireo klerje…
Fanendrena Klerje 2026

15 Martsa 2026 – Notanterahina tao amin’ny Katedraly St Laurent Ambohimanoro ny fanendrens ireo presbytera sy diakona vaovao hiasa eo amin’ny sahan’ny Eklesia…
Fitsidihan’ny avy amin’ny COE/WCC

25 Febroary 2026- Araka ny fampahafantarana natao dia tontosa soamantsara ny Alatsinainy 23 Febroary lasa teo, tao amin’ny EEM TRINITE MASINA AVARATRANJOMA, ny dinika niarahana tamin’i Rtoa Gracia Violetta Ross…
Ny faha-150 taonan’ny nahatongavan’ireo Misionera Anglikana voalohany

27 Mey 2024 — Fanompoam-pivavahana fanokafana ny fankalazana ny faha-150 taonan’ny nahatongavan’ireo Misionera voalohany teto Madagasikara dia natao ny Alahady faha-26 Mey, tao amin’ny EEM Santa Paoly Ambatoharanana.